Hoditra Kombava maina voatetitetika sy sakaly Pilo kely maitso maina. Mahazatra ny mampiasa menaka na vinaingitra manitra sy masiatiaka eto Madagasikara. Izany no nahatonga anay nampivady ireto fanito roa ireto mba ahafahanao mikarakara ny menaka na vinaingitra masiatsika ho anao ao an-trano.
Antonontonony ihany ny hasiakan'ny Pilo kely maitso satria mbola tanora izy. Ny kombava kosa dia manana ny fofona izay tena tsara ary mampiavaka azy. Ny fivadian'ireo fanito roa ireo dia ahazoana tsiro sy fofona tena raitra sy manitra ary ahafahanao manao nahandro tena matsiro.
FAMPIASANA AZY
Mangalà tavoahangy afaka mitahiry ranon-javatra 250ml. Arotsahy ao io kombava sy sakay mifangaro io. Asio menaka oliva na vinaingitra izay tianao. Avelao hilona mandritra ny herinandro lavitry ny hazavana mandritra ny herinandro. Hanomboka hivoaka amin'izay ny tsirony ary afaka atomboka ny fampiasàna azy
Rehefa azo ny hasiakany itiavanao azy dia afaka tatavanina ilay menaka na vinaingitra ary afindra anaty tavoahangy hafa. Afaka tehirizina ao anaty tavoahangy ihany koa. Anao ny safidy.