{"product_id":"vetiver-essential-oil","title":"Ilofotony Ravintsara Biolojika","description":"\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eNy Ravintsara, izay fantatra amin\u0026#39;ny anarana siantifika oe Cinnamomum camphora amin\u0026#39;ny teny Malagasy dia mitondra io anarana io noho ny zava-mahasoa maro dia maro tehiriziny. Mampahatsiahy fofona Eucapuptus ny fofony. Anaty anaty ala tropikalin\u0026#39;i Madagasikara ni tena ahitana azy. Azo ambolena ihany koa izy ary ao anatin\u0026#39;ny fianakavian\u0026#39;ny\u0026nbsp;Lauraceae. Boribory lavalava ny raviny ary eo anelanelan\u0026#39;ny Novambra sy Janoary no tena mamelana izy\u0026nbsp;\u0026nbsp;\u0026nbsp;\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u0026nbsp;\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u003cb\u003eMOMBAMOMBA AZY\u003c\/b\u003e\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eNy raviny no ampiasaina ka ahodina ao anaty alambika. Ny fofony dia tena manitra ary mahery no maharitra.\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eAra-panajana zava-boary tanteraka ny fanodinana ity Ravintsara ity ho ilofotony.\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eNy ilofotony azo avy amin\u0026#39;ny \u003cem data-mce-fragment=\"1\"\u003eCinnamomum camphora\u003c\/em\u003e\u0026nbsp;dia ny\u0026nbsp;\u0026quot;terpene oxides (1,8-cineol), terpene alcohols (alpha-terpineol) ary ny\u0026nbsp;terpenes (pinenes)\u0026quot;.\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u0026nbsp;\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u003cb\u003eZAVA-TSOA AZO AVY AMINY\u003c\/b\u003e\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eManamafy ny hery fiarovana sady miaro amin\u0026#39;ny aretina mora mifindra ny Ravintsara.\u0026nbsp;Ny sery sy kohaka ary ireo karazana \u0026quot;herpes\u0026quot; isan-karazany dia anisan\u0026#39;ny afaka anampian\u0026#39;ny Ravintsara. Mety ampiasaina ihany koa hanatanjahana tena raha sendra vizaka ara-batana sy ara-tsaina.\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u0026nbsp;\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u003cb\u003eFAMPIASA AZY\u003c\/b\u003e\u003c\/p\u003e\n\n\u003cul data-mce-fragment=\"1\"\u003e\n\t\u003cli data-mce-fragment=\"1\"\u003eAnaovana entona ao an\u0026#39;efi-trano mba anadiovana ny rivotra. Ataovy ao anaty vata fanaovana entona ny Ravintsara in-3-4 mitete ary ampio rano kely.\u003c\/li\u003e\n\t\u003cli data-mce-fragment=\"1\"\u003eRaha sendra havizanana be dia asio ilofotny Ravintsara in-3 mitete eo amin\u0026#39;ny tratra. Ataovy ao anaty rano koa raha milona ianao.\u003c\/li\u003e\n\t\u003cli data-mce-fragment=\"1\"\u003eRaha hanorana dia asio ilofotony Ravintsara im-10 mitete ao anaty menaka tsy misy fofona 50ml.\u003c\/li\u003e\n\t\u003cli data-mce-fragment=\"1\"\u003eRaha sendra lelo miandrona dia mievoha ilofotona Ravintsara in-3 na 4 mitete ary ampio rano mahamay ary misalobona ao anatiny mandritra ny 5mn ary miain\u0026agrave; amin\u0026#39;ny orona.\u0026nbsp;\u003c\/li\u003e\n\t\u003cli data-mce-fragment=\"1\"\u003eRaha ao anaty sauna dia asio ilofotony Ravintsara in- 3-4 mitete eo ambony vato mahamay ka hidonaka ny fofony.\u003c\/li\u003e\n\u003c\/ul\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u0026nbsp;\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003e\u003cb\u003eFITANDREMANA\u003c\/b\u003e\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eAraho ny totohevitry ny mpitsabo indrindra raha behovoka na ho ana zaza ny ampiasana azy.\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp data-mce-fragment=\"1\"\u003eTsy manolo taratasin\u0026#39;ny dokotera ity fa tsara ny manatona azy ireny raha te hahazo toromarika momba ny tenanao sy ny fahasalamanao manokana. Naturemadagascar dia tsy afaka hotazomina ho tompon\u0026#39;andraikitra amin\u0026#39;ny fitsaboanao tena raha sendra be loatra ny nampiasainao ka nahitana olana fa fahalalana amin\u0026#39;ny ankapobeny no zaraina eto.\u003c\/p\u003e\n\n\u003cp\u003e\u0026nbsp;\u003c\/p\u003e\n","brand":"Nature Madagascar","offers":[{"title":"10ml","offer_id":54377515581767,"sku":null,"price":10.95,"currency_code":"EUR","in_stock":true}],"thumbnail_url":"\/\/cdn.shopify.com\/s\/files\/1\/0535\/2364\/4602\/files\/DSC9734_DxO.jpg?v=1784422327","url":"https:\/\/www.naturemadagascar.com\/mg\/products\/vetiver-essential-oil","provider":"Nature Madagascar","version":"1.0","type":"link"}