Nature Madagascar
Dite Sahambavy
Dite mainty avy any Sahambavy, afovoan-tanin'i Madagasikara.
Ny nahatonga ny fiantsoana ity toerana ity oe Sahambavy dia noho ireo vehivavy maro be miasa eo an-tsaha isan'andro. Eny amin'ny havoana avo 1200m no misy azy..An-tànana no anangonan-izay ireo ny ravin'ny dite isan'andro. Tena miavaka tokoa ny tsirony ary anisan'ireo dite mahery izy ity ary malaza eran-tany ny hatsarany.
MOMBAMOMBA AZY
- Manome hery ary mampavitrika
- Mahery tsiro ary manitra
FAMPIASANA AZY
- Araka ny nahandro Malagasy:
Asio vovoka dite Sahambavy 1 sotrokely ao anaty vilany kely ary ampio rano mangatsiaka 2 kaopy. Teneho mandritra ny 5 minitra rehefa manomboka mangotraka. Tatavano raha tianao ary afaka aroso mahamay na mangatsiaka. Tena ahazoana ny tsirony tsara indrindra amin;ny dite Sahambavy io fanaovana azy io.
Afaka soloinao karazana ronono samihafa izay fampiasanao koa ny rano ary tohizanao araka ny nahandro voatondro etsy ambony ny fahandroana azy.
Afaka hamamiana raha tianao.
- Asio 1/2 sotrokelina dite Sahambavy ao anaty kaopy ary ampio rabo mahamay. Azo aroso mahamay, matimaty na mangatsiaka.