Fandefasana maimaim-poana anatin'ny vondrona Eropeanina raha mihoatra ny €99 !

Momba Anay

Tantaran'i Nature Madagascar

p> Nature Madagascar dia teraka tamin'ny faniriana hampahalala ireo vokatra tena tsara avy ao Madagasikara. Teraka tao anaty fianakaviana mpanondrana fanito, nandany ny fahazazako niaina tamin'ny toerana isan-karazany tao Madagasikara aho. Ilay fofona jirofo maina, mahery sady manitra no ahatsiarovako ny fahazazako teto Madagasikara.
Taorian'ny nifindrako tany Eropa dia nazava tamiko haingana fa tena vitsy mpahalala ny fireneko sy izay vokatra avy ao aminy. Midika koa izany fa maro ireo zavatra maro mahaliana tokony hozohiana ao aminy.
Manan-java-maro sy kanto ho aseho an'izao tontolo izao i Madagasikara. Mahatsiaro ho tsara vintana aho satria afaka mizara sy mampahalala ireo zava-maro sarobidy sy tsara tokoa ary mampanan-karena an'i Madagasikara. Mangataka anao hizaha an'izany. Zahao ny tsenanay, zahao ireo vokatra.
Mila fandrosoana lehibe dia lehibe i Madagasikara ary tena mafy ny fiainan'ny vahoaka. Afaka manampy azy ireo isika ary te hitondra ny anjarako koa aho. Manasa anareo hijery ireto hetsika sy ohatra vitsivitsy. Te hampiseho ireo fanamby ireo aho ary hanampy amin'ny fanampiana ny vahoaka. Ny fandraisana andraikitra sasany dia ny mng-madagascar.com ary Change4Mada .
Manaraka izany, manan-karena ara-kolontsaina sy fiteny tena kanto koa i Madagasikara. Amin'ny maha-Malagasy ahy dia mampihatra sy miaina ny kolontsaiko aho ary tiako ny mizara an'izany. Azontsika atao ny mifampizara, mianatra ary misondrotra amin'ny alàlan'ny fiaraha-mientan'ny tsirairay.

Misaotra anao nizara amiko ity traikefa nahafinaritra ahy ity.

Isa vitsivitsy

42
Vokatra
26
Vokatra Voajanahary Voamarina
200+
Mpanjifa afa-pò

Ny fomba fijerinay

Hitanay sy tsapanay ny fitomboan'ny fitakian'ny olona sakafo biolojika ara-pahasalamana, miorina amin'ny zavamaniry ary etika. Maro ireo zava-maniry sy vokatra azo fantarina amin'izany sehatra izany. Tianay ny mampiasa izany amin'ny alàlan'ny fampahalalana ary famokarana zava-mahasoa manaraka izany fepetra izany. Mba hampitombo ny traikefanay ary hizara izany amianreo no antony anaovanay izany.

Nahoana no hisafidy anay

Kalitao no fanalamahidin'ny asanay
Kalitao hatrany no imasoanay hatrany am-boalohany. Faly amin'ireo vokatra izay amidinay izahay and mahatsapa fa manana andraikitra eo amin'ny fahafaham-pon'ireo mpanjifa ny entanay ka noho izany dia vokatra tena ampiasainay tokoa ihany no amidinay. Ny fisafidiananay ireo mpamatsy entana dia manaraka ny fepetra ahazoanay toky ny momba ny kalitao avo indrindra.
Maniry izahay ny hahafa-po sahala aminay koa ireo mpanjifanay. Raha misy fanamarihana na fanatsarana hitanao fa azonay atao dia aza misalasala miteny izany fa katsahanay izay hahatsara kokoa ny orinasa. Manohana anao hizara izany izahay raha milaza ny hevitrareo momba ireo vokatra ianareo ary milaza oe inona no fanatsarana azo atao. Manohana anareo amin'izany izay mna hahafahanay manome fahafaham-po tanteraka amin'ny vokatra atolotray.
Nandritra izay taona vitsivitsy niasanay izay dia efa hitanay ny mahaliana ny be sy ny maro amin'ny ezaka fanamboarana sakafo vaovao avy amin'ireo akora efa misy. Noho izany antony izany dia efa nanomboka nampivady ny sasantsasany amin'ireo vokatra arosonay izahay ary misy tokoa ny tena tsy mbola hita n'aiza n'aiza raha ny fantatray. Nitombo arak'izany ireo vokatra misy ary faly izahay mahita fa tena ankafizin'ny olona tokoa izy ireo. Noho izany...hanohy ihany koa ny famokarana sakafo vaovao izahay.
Eny, miezaka ny hiasa hanatsara ny tontolo iainana koa izahay. Amin'ny fomba isan-karazany no anatontosanay izany. Miara-miasa amin'ireo tantsaha sy orinasa kely izahay. Ny antony dia satria tena manam-bokatra mahaliana izy ireo. Fohezinay ihany koa ny fitsinjarana ireo vokatra. Mba hanaovana izany dia mifampiraharaha mivantana amin'ireo mpamatsy izay fa tsy misy mpanelanelana. Mampizotra ny asa kokoa izany ary mahatsara kokoa ny kalitao. Manatevin-daharana sy manao hetsika hanampiana ny olona sy ny ankizy mahantra eto Madagasikara koa izahay. Tsapanay fa tena ilaina izany, ankasitrahan'izy ireo ary azo tanterahina amin'ny fomba mahomby sy amin'ny alàlan'ny fifandraisana avy hatrany amin'ireo olona any an-toerana. Ao amin'ny fiainanay manokana no anaovanay izany. Ankoatr'izay dia misy ampahany amin'ny tombom-barotry ny orinasa ihany koa atolotra ho an'ireo vondrona tsy miankina ary misahana tetik'asa fampandrosoana eo an-toerana izay tohananay.

Momba ahy

Virna Rakotonirina

Virna dia teraka tao amin'ny fianakaviana mpivarotra fanito sy ilofotony ary niaina tany atsimo-atsinanan'i Madagascar, Farafangana. Avy eo dia nifindra monina tany Toamasina ary taty aoriana dia nifindra tao Antananarivo niaraka tamin'ny fianakaviany. Nifindra tany Eropa, Italia izy tamin'ny faran'ny taona 90. Niasa teo amina sehatra isan-karazany izy ary tao aoriana kely dia lasa mpitantana kaontina mpanjifa tao amina orinasa internet lehibe iraisam-pirenena. Rehefa afaka taona vitsivitsy dia nanomboka nivarotra lavanilina izy, ary nahita fa ny olona manodidina azy dia tsy mahalala firy momba izany ary tena tia azy io raha vao manandrana. Nanomboka niakatra tsikelikely ny refy sy ny vokatra ka teraka tamin'io fotoana io Nature Madagascar. Nanapa-kevitra ny hifantoka tanteraka amin'ny varotra vokatra avy eto amin'ny tany fihaviany izy.