Fantatra amin'ny anarana oe sakay Pilo kely ity sakay ity. Maniry eto Madakasikara ary mena ny lokony satria efa masaka izy.
MOMBAMOMBA AZY
Maanitra kokoa mihoatra ny pilo kely mena ny fofony ary latsadatsaka kosa ny hasiakany. Ankoatra ny fanaovana sakafo dia ampiasaina ihany koa amin'ny fanaovana zava-pisotro masiatsika sy fanao anaty saosy isan-karazany izy.
FAMPIASANA AZY
Afaka ampiasaina eo ambony sakafo masaka na anaty sakafo andrahoina. Ny voany no tena masiaka aminy. Raha te hahazo ny hasiakany tena mahery indrindra dia tapaho roa izy ary arotsahy ao anaty nahandro. Raha tianao tsy hahery loatra kosa dia aza tapahana fa arotsahy tsy mivaky. Raha hanao menaka masiaka dia asio sakay piko kely maitso 1 sotro ao anaty tavoahandy ary ampio menaka olina 500ml. Afaka andro vitsy dia hanomboka hasiaka ilay menaka.