Nature Madagascar
Carry Madras Biolojika
Ity carry madras biolojika ity dia matsiro ary tsy masiaka. Ho an'ireo tia sakafo masiaka dia azo atao ny manampy sakay aminy mandritra ny fandrahoina ny sakafo na koa rehefa efa vonona eo amin'ny lovia ny vary sy laoka. Ampio carry iray sotrokely ny sakafo andrahoina ary avelao hifangaro tsara. Ny fomba iray hafa azo ampiasana azy koa dia ny fandrahoina azy miaraka amin'ny ronobom-boanio. Laoka matsiro ary misy saosy marihitra no ho azonao. Araka ny fomba fandrahoina sakafo malagasy dia vary fotsy no ampiarahana amin'ny laoka nokarakaraina amin'io nahandro io. Ny Carry dia azo ampiasaina ho toy ny fangarony amin'ny fikarakarana legioma manta, ohatra oe ny lasary.
Biolojika avokoa ny fangaron'ity carry ity:: tamotamo, koriandra, komina, fenugrec, sakamalaho, sira, tongolo gasy, dipoavatra, sakay. Mety misy dihana seleria sy voantsinapy.