1 2

Nature Madagascar

Tamotamo vovony Biolojika

€3,45
Tax included.

Ny tamotamo izay mitondra ny anarana siantifika Curcuma longa dia ao anatin;ny fianakavian'ny Zingiberaceae. 
Fantatra noho ny tsiony malefaka sy lokony mavo tena mahery ny tamotamo. Malaza ihany koa noho ireo zava-tsoa maro azo avy aminy. Fampiasa raha mahandro sakafo ary amin'ny fitsaboana araka ny Ayurveda ihany koa izy.

 

MOMBAMOMBA AZY

  • Manampy manala fivontosana
  • Mampitàna ny vatana
  • Manatsora rà
  • Manamafy ny hery fiarovan'ny vatana

 

FAMPIASA AZY

  • Atao fangarony amin'ny fanaovana mofomamy isan-karazany, vary, paty, legioma sy voamaina ary saosy.
  • Arotsahy amin'ny faraparan'ny fandrahoana ny sakafo izy mba hitazonana tsara ny fofony.
  • Rehefa mampiasa tamotamo ao anaty skafo masira dia asio voatsiperifery  izay manampy azy hijanona ao anatin'ny vatana.
  • Raha manao sakafo mamimamy dia ampio sakamalaho kely ny tamotamo mba hitazomana kokoa ny tamotamo ao anaty vatana.  
  • Ny bromolinina izay ao anaty mananasy ihany koa dia manampy mitazona azy ao anaty vatana.
  • Tsara indrindra raha hanao "golden milk" ianao. Asio 1 sotrokely tamotamo vovony sy 1/2 sotrokelina sakamalaho vovony ao anaty kaopy lehibe. Tapohy rononona soja tena mafana ohatra ary hamamiho araka izay itiavanao azy.

 

 

Fehezana: 40g
Fehezana: 40g

Product information