Nature Madagascar

Sakamalaho nofintsaina - lavalava

€2,95
Tax included.

Ny sakamalaho nofintsaina dia azo tamin'ny fanodinana sakamalaho tanora (4-5 volana) ary nandrahoina tao anaty siramamy.  Ny tsirony dia masiaka ary mamimamy. Afaka atao tsakitsaky na atao fandevonan-kanina ao aorian;ny sakafo izy, afaka afangaro amin'ny voankazo voatetika mifangaro ihany koa na ampiasaina ao anaty fanaovana mofomamy sy zava-mamy isan-karazany.   Ity sakamalaho mamy izay amidinay dia azo avy amin'ny fifantenana ireo sakamalaho manaraka kalitao izay voasivana tsara mialoha mba ahazoana ny tsirony tsara indrindra: tsy mamy loatra ary heno tsara ny tsirona sakamalaho ao anatiny. Anisan'ireo vokatra tena tian'olona izy ity ary anisan'ireo be mpividy indrindra ato amin'ny orinasa.

MOMBAMOMBA AZY

  • Mampandevo-kanina
  • Manampy amin'ny fanalàna ny fivontosana
  • Mampavitrika
  • Mampandranoka rà

FAMPIASANA AZY

  • Afaka hohanina avy hatrany na afangaro anaty voankazo voatetitetika mifangaro
  • Afaka ampiasaina amin'ny fanamboarana zava-mamy isan-karazany
Lanjany: 100g
Lanjany: 100g

Product information