Ny miskady misy eto Madagasikara dia malaza ho tsara n'aiza n'aiza ary ilay arosonay eto dia ilay kalitao avo lenta indrindra toy ireo fanito hafa ihany koa.
Ilay voany ao anatiny no fampiasa fa fonony kosa ilay hita ety ivelany. Voana miskady ilay ao anatiny ary masis kosa ny anaran'ilay fonony izay matetika voakiky rehefa hita eny an-tsena.
Ampiasaina amin'ny fikarakarana zava-maro ny miskady: fanito ho ana sakafo isan-karazany, kinendinendy toy ny mofosakay, zava-pisotro, lasopy ary fanaovana mofomamy.
MOMBAMOMBA AZY
Teo amin'ny raok'andro malagasy dia nampiasaina noho ny zava-tsoa azo avy aminy ny miskady. Ohatra:
- Manampy amin'ny fandevonan-kanina
- Manampy raha sendra vanin-taolana mangotsongotsoka
- Manampy raha sendra tsy mahita tory
- Mety amin'ny sakafo rehetra ny miskady.
Manoro hevitra hisafidy ny miskady tsy mivaky ary tena lafatra ivelany izahay ary manoro anareo tsy hisafidy izay sendra misy lavadavaka.
FAMPIASANA AZY
Vakio roa ny fonony mba ahazoanao ny voany. Avy eo dia sasaho roa ary kikiso izay habetsany ilainao amin'ny fotoana ilànao azy.
Maharitra taona maromaro ny miskady raha voatahiry tsara ary voakajy tsara lavitry ny hazavana sy hamandoana.