Ravinkazo maina Combava avy any Madagasikara.
Ity karazana voasary makirana antsoina oe Kaffir lime na koa hoe Combava, Papeda na Makrut dia manana ny anarana siantifika Citrus Hystrix.
Ny raviny dia ampiasaina indrindra amin'ny zava-pisotro mafana mampitony ho an'ny takariva mba mampitony na aorian'ny sakafo mba hanampy ny fandevonan-kanina. Izy io dia ampiasaina indrindra amin'ny sakafo any amin'ny ranomasimbe Indianina sy any Azia. Ny fofon'ny combava dia niavaka tamin'ny karazana voasary rehetra. Ao amin'ny fitsaboana amin'ny zavamaniry dia ampiasaina amin'ny toetrany maromaro: mampateza, manampy raha sendra diabeta ary miaro sy manadio ny aty.
- Mampateza
- Miaro ny aty
- Mampitony
- Manampy ny fandevonan-kanina
Torohevitra fampiasana azy:
Asio ravina Combava 2 ary asio rano mafana ny kaopy iray. Sarony ary avelao hilona mandritra ny 7-8 minitra. Azo sotroina amin'ny fotoana rehetra.
Raha hanomana sakafo miavaka dia mampiasà ravina Combava 4 na 5 eo am-panomanana izay sakafo misy saosy na lasopy. Ny ravina dia hamoaka ny hanitra manokana mampahatsiahy ny voasarimakirana fa mamerovero ihany koa.
Tehirizo lavitry ny hazavana sy hamandoana ny ravina mba haharitra kokoa.