Ravintsara biolojika avy eto Madagasikara.
Ny Ravintsara na Cinnamomum camphora dia hazo lehibe iray amin'ny fianakavian'i Lauraceae. Izy io dia fanafody nentim-paharazana tena tsara izay ampiasaina eto Madagasikara manoloana ny havizanana sy sery, izay fahita matetika, indrindra amin'ny ririnina.
Ny ravina koa dia ampiasaina hamokarana ny menaka avy aminy. Fabao tambavy izy io ary ny fofony dia maivana ary mamerovero.
Nantsoina oe Ravintsara izy zava-maniry ity noho ny tombontsoa isan-karazany omeny ny vatana:
- Fankaherezana ny lalan-pisefoana
- Fanentanana ny fiarovana voajanahary
- Manampy amin'ny fialan-tsasatra amin'ny hariva
- Fahasalamana ankapobeny
Torohevitra fampiasana azy:
Mampangotraha rano 1 litatra. Asio ravintsara voajanahary 3 na 4 ao anatiny ary sarony ny vilany andrahoinao azy. Avelao hilona mandritra ny 7-8 minitra. Matetika dia 2 na 3 kaopy no sotroina anatin'ny iray andro.
Manoro hevitra izahay ny hitehirizana ny ravina lavitry ny hazavana mivantana sy ny hamandoana.