Ho an'ireo mpaka fy sy efa mahalala ny zava-mahasoa azo avy amin'ny Kombava na koa te hanao fanomezana tena miavaka.
Mitahiry:
- 1 tavoahangy kely 10ml ilondrakitra
- 1 kitapo kelina kombava vovony 40g
- 1 kitapo kelina hoditra kombava 30g
Kombava na citrus hystrix
Ny Kombava dia karazana voasarimakirana avy any Indonezia. Marokoroko ny hodiny ary manitra mamelombelona ny fofony. Maniry eto Madagasikara sy any amin'ny nosy La Réunion ary fampiasa matetika amin'ny fanamboarana sakafo sy zava-pisotro.
MOMBAMOMBA AZY
- Ahazoana vitaminina C
- Ambany kaloria
- Manamafy ny hery fiarovan'ny vatana
- Manampy manala fivontosana
- Mampitàna
FAMPIASANA AZY
- Asio kombava vovony tsongo 2 ao anaty kaopy ary ampio rano mafana na mangatsiaka ary avelao hilona 5 minitra, hidina tsikelikely ny vovony ary vonona ny dite na tambavy kombava anao.
- Asio tsongo vitsivitsina kombava vovony ao anatin'izay fangaron-daoka na saosy ataonao ao izay mahazatra ny manisy voasarimakirana ao anatiny.
ILONDRAKITRA
- Manitra mamelombelona ny fofony
- Ny ilondrakitra Kombava dia anisan'ireo tena mahery amin'ny fiarovana amin'ny tsimok'aretina mahazatra noho ny fananany "citronellal" maro tokoa ao anatiny. Mahafoaka sehatra isan-karazany ny heriny ka manampy hiadina amin'ny bakteria sy tsimok'aretina ary olatra isan-karazany.
- Mitahiry "terpene aldehydes" sy estera izay manampy hiady amin'ny fanaintainana amin'ny hozatra sy taolana vokatry ny romatisma ny asany miady amin'ny fivontosana.
- Manamoy mamelombelona ny vatana ny ilondrakitra kombava noho ny fananany "monoterpene" maro tokoa.
- Manampy mampitsotsotra sy amin'ny fakana aina ny "Citronellal" sy ny "Citronellyl" ao anatiny ary mipàka any rafitra mpibaiko ny vatana ny asany.
- Manampy amin'ny fanalàna tavy mivondrona amin'ny faritra isan-karazan'ny vatana ny ilondrakitra kombava. Afangaroy anaty menaka tsy misy fofona ny ilondrakitra 5 tete ho lasa menaka fanorana.
- Ny ilondrakitra arosonay eto dia azo ampiasaina amin'ny sakafo. Tete tena vitsy kely dia ampy hanomezana fofony tsy manan-tsahala Ohatra oe 1 tete isaky ny lafarinina 100g raha hanao mofomamy ianao na koa 1 tete isam-bilia raha atao anaty sakafo andrahoina. Afaka atao ao anaty saosy isan-karazany ihany koa izy.
FAMPIASANA AZY
- Mba hameroveroana efitra iray dia asio 4 na 5 tete ana ilondrakitra kombava ao anaty vilany na vata hanaovana entona na "humidificateur" ary ampio rano kely.
- Mba hampangirana volo dia asio ilondrakitra kombava 3 tete ao anaty savony fanasanao volo.
- Ho any'ny menaka fanorana vatana: asio 4 na 5 tete ana ilondrakitra ao anaty menaka tsy misy fofona 100ml.