Ylang ylang dia midika oe voninkazon'ireo voninkazo noho ny hatsarany, Ny anarany siantifika dia Cananga odorata, hazo haingam-paniry izy ary ao anatin'ny fianakavian'ny Annonaceae. Mahatratra 5m isan-taona ny hahavony raha tsy tapahana ary mety hahatratra 12m raha tsy tapahana mihitsy any amin'ny toerana tena mampiroborobo azy. Malefadefaka sy boribory lavalava ny raviny ary matsokotsoko ny lohany. Eo anelanelan'ny 5 sy 8cm eo ho eo ny halavany. Ny voninkazony dia miodina midina, lava tongony ary misy felany enina, mavo mitopika mavokely ary misarisary kintan-dranomasina, tena manitra ny ilondrakitra azo avy aminy.
Ny ilofotony azo avy aminy dia natao avy amin'ny voninkazony izay mitahiry ireo hery mampiavaka azy.
Ny fofon'ny Ylang-ylang dia feno ary lalina ary mampahatsiahy fofona jasmina.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy manala havizanana
- Mamelombelona hoditra
- Manamanitra efi-trano
- Misahana ny menaka mivoaka amin'ny hodi-doha
FAMPIASANA AZY
Ho an'ny fanorana: asio ilofotony 5 tete ao anaty menaka tsisy fofona 100ml.
Raha sendra be tebiteby na tsy mahita tory dia asio 1 tete eo amin'ny faritra ambonin'ny ambava fo ary kosokoseho
Ho an'ny fikolokoloina volo: asio 2 tete ao anaty savony fanasanao loha..
Hameroveroana efitra: asio 4-5 tete ao anaty vilany misy rano mangotraka na ao anaty vata fanaovana entona.
FAMPITANDREMANA
Tsy tsara ampiasaina raha behovoka latsaky ny 5 volana na ho an'ny zaza latsaky ny 3 taona.