
Fotoana hikarakarana:10 minitra
Nahandro ho an'olona iray
Fangarony:
-
2 fetrana tànana salady balafomanga na karazana salady hafa,
-
1 sotro oliva maitso na mainty,
-
1 sotrokely voana tanamasoandro,
-
¼ sakay be na poivron,
-
1 sotrokelina Dipoavatra mena na Baie rose,
-
1 sotrokelina voan-tsinapy,
-
½ ranom-boasary makirana,
-
2 sotrona menaka oliva
Fanaovana azy:
Ataovy anaty lovia be jobo ny balafomanga na karazana salady hafa izay safidinao, oliva mainty na maitso 1 sotrokely, ¼ sakay be na poivron, 1 sotrokely voana tanamasoandro, 1 sotrokely Dipoavatra mena na Baie rose.
Ho an'ny saosy araraho anaty kaopy iray ny voan-tsinapy sy ny ranom-boasary makirana ary ny menaka oliva ary ataovy mandroatra tsara amin'ny alalan'ny mixer na kapokapohy maharitra mandritra ny iray minitra.
Araraho anatin'ilay salady mifangaro io saosy io ary arosoy.
