Skip to content
Free Shipping in European Union Above €99!
Free Shipping in European Union Above €99!
Free Shipping in European Union Above €99!

Salady mifangaro sy Baie rose na Dipoavatra mena

Fotoana hikarakarana:10 minitra Nahandro ho an'olona iray   Fangarony: 2 fetrana tànana salady balafomanga na karazana salady hafa, 1 sotro oliva maitso na mainty, 1 sotrokely voana tanamasoandro, ¼ sakay...

Fotoana hikarakarana:10 minitra
Nahandro ho an'olona iray
 
Fangarony:
  • 2 fetrana tànana salady balafomanga na karazana salady hafa,
  • 1 sotro oliva maitso na mainty,
  • 1 sotrokely voana tanamasoandro,
  • ¼ sakay be na poivron,
  • 1 sotrokelina Dipoavatra mena na Baie rose,
  • 1 sotrokelina voan-tsinapy,
  • ½ ranom-boasary makirana,
  • 2 sotrona menaka oliva
 
Fanaovana azy:
Ataovy anaty lovia be jobo ny balafomanga na karazana salady hafa izay safidinao, oliva mainty na maitso 1 sotrokely, ¼ sakay be na poivron, 1 sotrokely voana tanamasoandro, 1 sotrokely Dipoavatra mena na Baie rose.
Ho an'ny saosy araraho anaty kaopy iray ny voan-tsinapy sy ny ranom-boasary makirana ary ny menaka oliva ary ataovy mandroatra tsara amin'ny alalan'ny mixer na kapokapohy maharitra mandritra ny iray minitra.
Araraho anatin'ilay salady mifangaro io saosy io ary arosoy.
 
 

Cart

Your cart is currently empty.

Start Shopping

Select options