Fandefasana maimaim-poana eo Eropa raha mihoatra ny €99 !
Zavoka sy Dipoavatra mena na Baie rose

baie_rose, Easy -

Zavoka sy Dipoavatra mena na Baie rose

Fotoana fikarakarana: 10 minitra
Nahandro ho an'olona iray
 
Fangarony:
  • 1 zavoka,
  • ¼ ranom-boasary makirana,
  • sira (tsy voatery),
  • 1 sotro menaka oliva,
  • tongolo maitso,
  • 1 sotrokely Dipoavatra mena na Baie rose
Fanaovana azy:
Mangalà zavoka masaka tsara.
Arakaraky ny karazany mety ho mafimafy na malemy kokoa izy rehefa masaka.
Sasaho roa, esory amin'ny sotro ny nofony ary alaharo hilamina tsara eo ambony lovia fandrosoana sakafo.
Tapatapaho ny tongolo maitso ary araraho eo ambony zavoka ary ampio Dipoavatra mena na Baie rose. 
Afangaroy anaty lovia jobo ny siramamy sy ny ranom-boasary makirana ary menaka oliva ary ahodino 1 minitra amin'ny mixer mba harihitra ary hiloko tokana.
Araraho ho saosy araka izay habetsany itiavanao azy.
 
#Baie_Rose

Malagasy