1 2

Nature Madagascar

Kanelina vovony organika - Zava-pisotro natoraly

€3,45
Tax included.
Ny sakamalao sy kanelina dia fanito roa fantatra amin'ny tombontsoany amin'ny fahasalamana.
Ireo vokatra ireo dia ao anatin'ny fanafody nentim-paharazana fampiasa andavan'andro eto Madagasikara ary ampiasaina amin'ny fampihenana vatana ihany koa. Matetika izy ireo ampiasaina hanampiana ny fandevonan-kanina, hanafanana amin'ny ririnina ary hanadiovana ny taova isan-karazany.

 

ZAVA-MAHASOA AVY AMINY

Azafady tsindrio ireo rohy ireo raha mila fanazavana fanampiny momba kanelina na sakamalao.
 

TORO-HEVITRA AMPIASANA AZY
Afaka karakaraina amin'ny fomba roa samy hafa:

  • Araraho anaty kaopy ny sakamalao mifangaro kanelina vovony iray sotrokely. Ampio rano mafana ary avelao hilona mandritra ny 5 minitra dia vonona. Tsy mila sivanina, ny vovony dia hidina tsimoramora any amin'ny vodin'ny kaopy. Raha ilaina dia asio ranom-boasarimakirana kely na silany. 
  • Araraka ao anaty vilany ny vovo-tsakamalao sy kanelina eraky ny sotrokely. Ampio rano  iray kaopy  sy sasany. Andrahoy mandritra ny 5 minitra rehefa manomboka mangotraka. Araraho ao anaty kaopy ilay dite azo dia vonona. Raha ilaina dia asio silaka voasarimakirana na ranony kely.

 

Azonao atao ny mahandro misimisy kokoa ary mitahiry ny ambiny ao anaty vata fampangatsiahana. Hafanaina fotsiny izy amin'ny fotoana hisotroana azy.


Lanjany: 40g
Lanjany: 40g

Product information